Toriteny Fisaorana Farany

Ry olona!
Henoy tsara ny teniko.
Tsy fantatro, angamba aorian’ity taona ity dia tsy hahita anareo eto intsony aho mandrakizay.
Ry Olona!
Araka ny maha-masina ny andro Arafat, araka ny maha-masina ny volana Zilhidja, araka ny maha-masina an’i Mekka, dia masina toy izany koa ny ainareo, ny fanananareo, ny voninahitry ny tenanareo, ka voaaro amin’ny karazana fanafihana rehetra.
Ry namako!
Rahampitso dia hihaona amin’ny Tomponareo ianareo ary hoentina manontany amin’ny fihetsika sy ny ataonareo anio. Aza miverina amin’ny fahadisoana taloha ka mifamono aorian’ny fahalasanako. Aoka izay eto ankehitriny hampita ity teniko ity amin’izay tsy eto. Angamba izay ampitaina dia hitahiry sy hahatakatra azy tsara kokoa noho izay naheno teto.
Ry namako!
Izay manana zavatra natoky dia aoka hamerina izany amin’ny tompony.
Foana avokoa ny karazana zana-bola rehetra, eo ambanin’ny tongotro izany.
Kanefa tsy maintsy averinareo ny fototry ny trosa. Aza manao an-keriny na manaiky anaovana an-keriny.
Araka ny didin’Andriamanitra dia voarara tanteraka ny fanaovana zana-bola. Ireo fahazaran-dratsy avy amin’ny vanim-potoana tsy fahalalana dia foana avokoa, eo ambanin’ny tongotro izany. Ny zana-bola voalohany esoriko dia ny an’i Abbas zanak’i Abdulmuttalib.
Ry namako!
Foana koa ny ra latsaka noho ny ady tany amin’ny vanim-potoana tsy fahalalana. Ny ra latsaka voalohany esoriko dia ny an’i Rabia zafikelin’i Abdulmuttalib.
Ry Olona!
Amin’ity androany ity dia very mandrakizay amin’ity taninareo ity ny herin’ny devoly sy ny fifehezany. Kanefa raha manaraka azy amin’ny zavatra kely izay heverinareo ho tsy dia manan-danja ianareo, dia hahafaly azy izany. Koa mitandrema amin’izany mba hiarovana ny fivavahanareo.
Ry Olona!
Manoro hevitra anareo aho mba hitandrina amin’ny zon’ny vehivavy sy hatahorana an’Andriamanitra amin’izany. Noraisinareo ho amanana avy amin’Andriamanitra ny vehivavy; nataonareo ara-dalàna amin’ny anaran’Andriamanitra ny fahadiovan’izy ireo sy ny voninahiny. Manana zo aminareo ny vehivavy, ary manana zo amin’izy ireo koa ianareo. Ny zony aminareo dia ny tsy avela hanitsakitsaka ny tokantranony amin’izay olona tsy tianareo. Ny zon’ny vehivavy aminareo kosa dia ny hanomezanareo azy araka ny fanao ny sakafo sy fitafiana rehetra ilainy.
Ry Mpino!
Manome anareo zavatra roa ho amanana aho, ka raha mifikitra amin’izany ianareo dia tsy ho very lalana mandrakizay. Ireo amanana ireo dia ny bokin’Andriamanitra, dia ny Korany Masina, sy ny sunan’ny Mpaminany.
Ry Mpino!
Henoy tsara ny teniko ary tehirizo tsara! Ny Miozolmana dia rahalahin’ny Miozolmana, ary ny Miozolmana rehetra dia rahalahy. Tsy azo atao ny manitsakitsaka ny zo ananan’ny rahalahy amin’ny finoana. Afa-tsy izay omena am-pifaliana sy amin’ny sitrapo ihany.
Ry namako!
Aza manao an-keriny amin’ny tenanareo. Manana zo aminareo koa ny tenanareo.
Ry Olona!
Irery ihany ny Tomponareo. Irery ihany ny Rainareo. Samy zanak’i Adama ianareo rehetra, ary avy amin’ny tany i Adama. Tsy misy ny hasandratra amin’ny Arabo amin’ny tsy Arabo, na amin’ny tsy Arabo amin’ny Arabo; tsy misy ny hasandratra amin’ny hoditra mena amin’ny mainty, na amin’ny mainty amin’ny mena. Ny fahamasinana dia amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Izay matahotra an’Andriamanitra indrindra aminareo no sarobidy indrindra eo anatrehan’Andriamanitra.
Ry olona!
Ny Tompo Tsitoha dia efa nanome ny zony ho an’ny tompony tsirairay avy. Samy tompon’andraikitra amin’ny heloka nataony ny tsirairay. Tsy tompon’andraikitra amin’ny heloky ny zanany ny ray, na amin’ny heloky ny rainy ny zanaka.
Tandremo! Aza ataonareo mihitsy ireto zavatra efatra ireto:
Aza manome mpiara-miasa amin’Andriamanitra.
Aza mamono olona izay nataon’Andriamanitra ho masina sy tsy azo kitihina tsy amin’ny antony ara-drariny.
Aza mijangajanga.
Aza mangalatra.
Ry olona!
Rahampitso dia hanontany ahy aminareo izy ireo. Inona no holazainareo?
Namaly ny Ashab-ı Kiram:
"Nampitainao taminay ny hafatry ny Tompo; notanterahanao ny iraka, ary nanome torohevitra sy vasina taminay ianao, izahay dia manambara izany."
Nanandratra ny fanondroany ho any an-danitra in-telo i Rasoulullah
"Mba vavolombelona ianao! ry Tompo!
Mba vavolombelona ianao! ry Tompo!
Mba vavolombelona ianao! ry Tompo!"
Mohammed Mpaminany, fiadanana sy fitahiana anie ho aminy